Pages

FETIN'NY HOPITALY 2012



Tamin’ny fiandohany, ny Krismasy dia vanim-potoana iray ao anatin’ny taona izay midika fitiavana sy fizarana. Mandritran’io fotoana io dia samy mifanolotra fanomezana manokana ho an’ny olon-tiany ny olona rehetra. Fa ho an’ny FVKFM kosa, hatramin’ny taona 2007, dia midika fanoloran-tena sy fandavan-tena. Toy ny isan-taona, ny Fiangonana dia nanatontosa Noelim-pifaliana sy miavaka ho an’ireo marary eo anivon’ny hopitaly. Fomba iray hanehoana fitiavana an’ireo olona rehetra mijaly tamin’ny alalan’ny fihetsika tsotra izany.

Noho izany, ny alakamisy faha-20 desambra, ny Vondron’ny Hopitalin’ny FVKFM dia nanatanteraka ny andiany faha-6 amin’ny NOEL DES HOPITAUX, eo anivon’ny l’Aumônerie Protestante Befelatanana.
Toy ny mahazatra, ny kely sy lehibe dia samy tonga nanatrika ny fety ary feno dia feno ny efitra. Ny sasany dia variana tamin’ny feon’ny Chorale, ny hafa indray dia variana tamin’ny dihy nataon’ireo mpikambana teo anivon’ny Groupe des Hôpitaux, nefa araka ny mahazatra dia niavaka foana ny Groupe Caleb noho ny fahazotoany be dia be. Ny tanora teo anivon’ny Nouvelle Génération ary ireo ankizy tao amin’ny EBI ihany koa dia samy afaka nandray anjara tamin’ity fety ity, niaraka tamin’ireo mpanao hatsikana kely. 
Ireo fanomezana tamin’ity taona ity dia tena betsaka tokoa nefa vita izany niaraka tamin’ny fanampian’ireo olona maro tsara sitra-po, pharmacies, olon-tsotra nefa indrindra ireo mpikamban’ny FVKFM, izay tsy mitsahatry ny manolo-tanana an’ireo sahirana. Noho izany, ny fanafody dia betsaka ary ny solontenan’ny hopitaly dia nanambara fa izany dia hanova tokoa ny tontolo andron’ny marary izay tsy manana fahafahana sy tohana. Nefa ny Aumônerie ihany koa dia nahazo fanafody, sakafo isan-karazany sy bodofotsy maro.

Teo afovoan’ny fety, ny Solontenan’ny Ministry Fahasalamam-bahoaka, ny Solontenan’ny Ministry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Solontenan’ny Hopitaly dia nandeha tany amin’ny Service Pédiatrie niaraka tamin’ireo tsara sitra-po nizara kilalao ho an’ireo zaza marary. Tena faly tokoa izy ireo ary ny tsikitsikin’izy ireo na dia eo aza ny aretina dia mendrika ny ezaka rehetra natao herinandro vitsivitsy izay. Tena voakasika tokoa ny ray aman-dreny ary niteny fa tena fahononan-tena lehibe ho azy ireo ny mahita kristianina misaina ny momba azy ireo, tsy dia eo amin’ny lafiny ara-materialy loatra na dia hoe zava-dehibe aza izany, fa indrindra amin’ny fanohanana, fahononan-tena, fanampiana sy vavaka. Izany dia manome hery azy ireo ary manome fanantenana kely ho an’ny tohiny. Ary izany indrindra ni asan’ny Vondron’ny Hopitaly : manohana, manampy ary mivavaka ho an’ireo marary sy ny fianakaviany. Noho izany, olona roa izay noraisin’ny Vondrona an-tanana dia nijoro vavolombelona mikasika ny zavatra nataon’i Jesosy teo amin’ ny fiainany tamin’ny alalan’ny asan’ny Vondron’ny Hopitaly. Na dia efa nody any an-tranony aza izy ireo, ny Vondrona dia nanohy nanaraka ny fivoharany sy ny fahasalamany. Izany dia manambara fa tsy mijanona eo am-baravaran’ny hopitaly ihany ny asa fa mitohy hatrany. 
Raha fehezina dia samy nahita ny tsara ho azy ny tsirairay ary fianakaviana 50 tena sahirana dia afaka nandray kitapo feno sakafo sy kojakoja fidiovana miampy bodofotsy ary ny sisa hafa dia afaka nahazo « goûter » kely toy ny isa-taona. Amin’ny herintaona indray mihaona ! Samy hotahian’Andriamanitra isika rehetra !