Pages

Fampisehoana goavana 2012 : ho fanampiana ireo Zoki-olona



“Tiavo Andriamanitrao mihoatra noho ny zavatra rehetra, ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”. Io no tena anton’ny fampisehoana goavana nokarakarain’ny fiangonana FVKFM, izay nampatsiahivin’i Eveka Antonio Lobato, tompon’ andraikitra amin’ny asa fitoriana eto Madagasikara, teo am-panombohana ny fampisehoana ny Sabotsy faha-31 Martsa 2012 lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina.
Misahiran-tsaina hatrany amin’ny fanampiana ireo izay mijaly ny FVKFM, ka nikarakara ity fampisehoana ity, izay efa fanindroany izao, tamin’ny alalan’ny vondron’ny ‘Nouvelle Génération’, ary tafiditra ao anatin’ireo Asa Sosialy tanterahiny. Tamin’ity taona ity, ary noho ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra, dia nifidy fikambanana Zoki-olona roa ny fiangonana (FIZOMIA sy AZOI izay fikambanana miahy ny zoki-olona), izay nahazahoana taratasim-bola mitentina 16 850 000,00 Ariary, izay fitambaran’ny vola azo rehetra tamin’ity fampisehoana goavana ity. Faly tokoa ny solontenan’ireo fikambanana ka nisaotra ny fiangonana noho ny nifidianany ireo fikambanana ireo tao anatin’ny fikambanana maro.

Nanome voninahitra ity lanonana ity ny solontenan’ny Filohan’ny Délégation Spéciale Antananarivo sy ny Ministeran’ny Mponina sy ny raharaha sosialy.
Ny Antoko Mpihiran’ny FVKFM, ny vondron’ny ‘Nouvelle Génération’ ny tarika ‘Les Adelines’, ‘Asaph’ dia nanome ny tsara indrindra tamin’ity tolakandrom-piderana ity, manoloana ny mpijery mihoatra ny efatra arivo, izay tsy nanana faniriana ny ho lasa ny fotoana, satria tena manina an’ireo hiran’ireo tarika rehetra ireo.
Andriamatoa Rakotomavo Jacky kosa, izay filoha lefitry ny FVKFM, dia nisaotra ny tsirairay tamin’ny fiaraha-miombona tamin’izao asa sosialy izao, ary nanararaotra ny fotoana izy nanazava tamin’ny mpijery ny anjara asa sy andraikitry ny FVKFM.


Miara-miombona hanampy ireo izay mijaly, nanao tolakandrom-piderana ho an’Andriamanitra, niaraka tamin’ny tarika tiany, am-pifaliana sy miaraka amin’ny fianakaviana … faly sy ravo ny rehetra. Amin’ny herintaona indray ny fotoana manaraka, any amin’ny ‘Palais des Sports’, araka ny fanamby napetraka sy nataon’ny Filoha lefitry ny FVKFM.