Pages

Andron’ny faha-23 Martsa : andron’ny fanomezan-drà tao amin’ny FVKFM


Ny manome rà dia famonjena aina. Tao anatin’io fanahy io no nirohotra ny fiangonana FVKFM, ka tonga nanome rà, tamin’ny Zoma faha-23 Martsa teo. Ankoatra ny fisahiranany eo amin’ny lafiny ara-panahy, ny fiangonana FVKFM dia sahiran-tsaina ihany koa amin’ny fahasalamana ara-batan’ireo namany. Noho izany indrindra dia naneho ny fitiavany ho an’ireo namany ny mpikambana ao amin’ny fiangonana, amin’ny fandraisana anjara amin’ity fanomezan-drà ity, izay natao tao amin’ny foiben’ny fiangonana. Tao anatin’ny finoana iray dia, nasaina handray anjara ny mpikambana tao, ny pasitera, ny assistants, ary maro ireo izay namaly ny antso.
Kitapon-drà miisa 214 no voangona. Mihoatra ny 400 ireo olona tonga, fa ny sasany kosa, ary tena somary nalahelo izy ireo raha nody, dia tsy afaka nanome noho ny antony lanja, ny taona, na ny tosi-drà …
Io fanomezan-drà io dia natao ho fanampiana ny hôpitaly HJRA/CNTS. 
Ny Groupe des hôpitaux no nikarakara ity hetsika fiaraha-miombona ity, izay tafiditra ao anatin’ny Asa Sosialy atao eo anivon’ny FVKFM hanampiana ireo izay mijaly. Ny eveka Antonio Lobato, tomponandraikitra amin’ny asa fitoriana eto Madagasikara, sy ny vadiny no voalohany nanome rà; nanaraka kosa ny pasitera, ny assistants sy ny mpikambana ao amin’ny fiangonana. Samy te-hanome rà ny rehetra, satria samy nahatakatra ny maha-zava-dehibe izao fanehoam-pitiavana ny namana izao. “Nisy fotoana aho niditra hôpitaly, ka nila rà, ary tena tsapako tamin’izany fotoana izany ny maha-zava-dehibe ny fanomezan-drà, satria niankina tamin’ny rà izay nomena ahy ny famonjena ny aiko. Izany no antony nanapahako hevitra ho tonga hanome rà androany mba hamonjena ny hafa mety hila izany.” Izany no nolazain-dRamatoa Rasoaniaina Razanatsoary, izay tena afapo rehefa avy nandray anjara tamin’izao hetsika izao.

Ny Fiangonana Vondrona Kristianin’ny Fanahy Masina dia mikarakara ity hetsika ity isan-taona nanomboka tamin’ny taona 2006 ary dia notohizany izany hatramin’ity taona ity. Araka ny mahazatra, ny fikarakarana ity hetsika ity dia naneho ny fifandraisan-tanan’ny fiangonana iray manontolo. Nisy sakafo maivana natolotra ireo rehetra avy nanome rà. Niara-nientana ny rehetra hahatonga io andro io ho andro mahomby sy voatahy, ary izany rehetra izany dia ho voninahitr’i Jesosy Krsity Tompontsika.